Maintirano : 2 isan-kerinandro ny olona voan’ny bala miditra hopitaly

0

Olona 2 isaky ny herinandro farafahakeliny ny olona voan’ny bala miditra hopitaly ao Maintirano, ankoatr’ireo voatsatoka’antsy sy lefona ary voavelin’ny bois rond. Mandry tsy lavoloha ny mponina ary very fanantenana ny amin’ny ho avin’izy ireo. Hatreto tsy mbola misy vahaolana azo tsapain-tanana avy amin’ny mpitondra fanjakana.