Mialy RAJOELINA : zava-dehibe ny fanabeazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

0

Zava-dehibe ny fanabeazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana hoy ny vadin’ny filohan’ny repoblika, ramatoa Mialy RAJOELINA nandritra ny fandalovany tany Japon. Ankoatry ny fahasalamana, ny fanabeazana sy ny fiarovana ny olona marefo, isan’ny sehatra manan-danja amin’ny vadin’ny filoha ny sehatry ny tontolo iainana.