Minisitry ny vola sy ny tetibola teo aloha : nahazo « avance unique et exceptionnelle » 4 miliara ariary

0

« Régie d’avance unique et exceptionnelle » mihoatra ny 4 miliara ariary no voasonian’ny minisitry ny vola sy ny tetibola teo aloha. Famoahambola mihoatra lavitra ny 15 tapitrisa ariary izay tetibola be indrindra voafaritry ny didy azo alaina. Tsy fantatra ihany koa ny fomba nahazoana izany.