Ministeran’ny fitsarana sy ny CSM : manameloka ny fiantsiana nataon’ny kandidà ERNAIVO FANIRISOA

0

Namoka fanambarana manameloka ny fanozonana sy ny fiantsiana ady amin’ny mpitandro ny filaminana nataon’ny kandida FANIRISOA ERNAIVO androany ny ministeran’ny fitsarana sy ny filankevitra ambonin’ny mpitsara. Voalaza anatin’ny fanambarana, fa voararan’ny lalàna, manitsakitsaka ny sata maha mpitsara ary manamavo ny soatoavina maha malagasy ny fihetsika nataon’ity kandidà ity.