Mpanao gazety : asiana marika famantarana ny fiara mitondra azy ireo

0

Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay hatrany. Hisorohana ny fisandohana andraikitra na fanararaotana, hoasiana sary famantarana avokoa ireo fiara an’ny mpanao gazety na an’ny orinasan-gazety izay entina manatanteraka asa. Horaketina anaty antotan-kevitra na base de données ny mombamomba ireo fiara na moto sy ny mpanao gazety tompony.