Mpianatra EPP sy CEG Anosibe : notoloran’ny fitondram-panjakana fitaovam-pianarana

0

Tao amin’ny EPP sy CEG Anosibe ny filohampirenena Andry Rajoelina sy ireo delegasiona niaraka taminy tamin’ity androany ity. Tamin’izany no nizarana ireo fitaovana entina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianara eto Madagasikara toa ny rakibolana, tablette sy fitaovam-pianarana maro hoan’ny mpianatra malagasy araka ny programan’ny fitondram-panjakana.