Mpiasam-panjakana : homena « prime na promotion » izay mazoto hiasa amin’ireo toerana lavitra

0

Homena prime na promotion ireo mpiasam-panjakana manolo-tena hiasa amin’ireo toerana lavitr’andriana hoy ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara. Ankoatr’izay, homena trano fonenana manaraka ny toetrandro izy ireo hahafahany manara-baovao sy mamita tsara an-tsakany sy an-davany ny asany. Tanjona ny hampandroso ny firenena amin’ny fanjakana manakaiky vahoaka.