Mpikatroka ara-panatanjahantena : miandrandra fanovana avy amin’i Andry RAJOELINA

0

Tsy diso anjara tamin’ny fanohanana ny kandidà Andry RAJOELINA ireo mpikatroka ara-panatanjahantena eto Antananarivo sy ny manodidina. Ankoatra ny fanambarana fanohanana nataon’ny fikambanan’ny mpanabe ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina, lalao baolina kitra goavana no nentin’ny fikambanana sy antoko politika maro nanentana ny mponina hifidy ny laharana faha 13 ny Alarobia ho avy izao.