Mpitsara : mamparefo ny fahefana ananany ny mahaela azy amin’ny toerana iray

0

Mamparefo ny fahefana ananany ary tsy hahafahany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asany ny fijanonan’ny mpitsara maharitra amin’ny toerana iray, hoy ny eo anivon’ny HCDDED. Na izany aza, tsy azo afindra noho ny didy izay navoakany ary tsy azo anontaniana ny antony namoahany iny didy iny anefa ny mpitsara araka ny voalazan’ny lalam-panorenana sy ny fitsipika mifehy azy ireo.