Mpivarotra amoron-dalana : tsy misy ny fandraisana andraikitra

0

Manomboka rakotra tsena ny eo am-pitan’ny toby fiantsonan’ny fiara etsy Andohotapenaka. Raha ny fanazavan’izy ireo, hatreto manorina izay te hanorina. Tsy misy ny vola aloa . Tsy nahazoana fanazavana ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Milaza ny efa nanala azy ireo kosa ny avy eo anivon’ny fokontanin’Andohotapenaka II.