Mponin’Antananarivo : mikaikaika amin’ny fahatapahan’ny ranon’ny JIRAMA

0

Mitohy ary mihamafy ny fahatapahan’ny rano fisotro madio eto Antananarivo sy ny manodidina amin’izao fotoana izao. Ambondrona, Avarabohitra, Antamboholava, Ambohibao, Ankadindravola, isan’ireo mikaikaika amin’ny fahatapahan’ny rano vokarin’ny orinasa Jirama.