Naina ANDRIANTSITOHAINA : nandray ny asa maha Ben’ny Tanàna azy.

0

Tontosa androany maraina ny famindram-pahefana teo amin’ny Ben’ny teo aloha sy ny Ben’ny Tanana vaovao Naina Andriantsitohaina izay hitantana indray ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra. Ny tolakandro kosa no tontosa ny lanonana izay nametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy. Hentitra ny ben’ny tanàna vaovao nandritra ny kabary izay nataony androany.