Olan’ny Air Austral : tsy misy fiantraikany amin’i Air Madagascar

0

Nogiazan’ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny autorité de la concurrence ny Air Austral. Antony raha ny fantatra ny fiafaran’ny fifamoivoizan’ny Corsair eto Madagasikara sy any amin’ny Nosy La Réunion. Raha ny fanazavana azo androany teo anivon’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar sy ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany, tsy atahorana hisy fiantraikany amin’i Air Madagascar izany.