Olan’ny rano fisotro eto Antananarivo : napetraka ny vahaolana maika

0

Tsy maharaka ny filan’ny mponina eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny rano vokarin’ny orinasa JIRAMA. Manodidina ny zato metatra cube isan’andro no fahabangana amin’ny filan’ny mponina. Misy ny fametrahana paompy fisotoman-drano vonjimaika miisa 5 entina hamahana vonjimaika ny olan’ny rano fisotro izay.