Orinasa Kraomita Malagasy : olona tsy manana vahaolana no napetraka ho Tale Jeneraly Lefitra

0

Notendren’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Kraomita Malagasy ho Tale Jeneraly Lefitr’ity orinasa ity i Jaobarison RANDRIANARIVONY. Tale Jeneraly Lefitra izay tsy ankasitrahan’ireo mpiasa, satria ny mpitondra HVM no ambaran’ny mpiasa ho tompon’antoka voalohany amin’ny faty antoka miompampan’ny orinasa amin’izao fotoana izao.