« PAM » : hisy fiantraikany ratsy amin’ny famokarana sakafo ny Coronavirus

0

Hisy fiantraikany ratsy amin’ny fambolena sy ny famokarana sakafo ny valan’aretina Coronavirus ary isan’ny ho tratran’izany i Madagasikara raha ny nambaran’ny solotena maharitry ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana, misahana ny ara-tsakafo. Ireto farany izay mandray anjara feno amin’ny fizarana ny « Tosika Fameno » hahafahan’ireo mpisitraka, hahazo izany ao anatin’ny fotoana fohy.