Papa Fransoa : hody any Vatican Roma rahampitso

0

Namarana ny fitsidihin’ny Papa François an’i Madagasikara ny fitsidihin’ireo pretra, relijiozy sy séminarista tetsy amin’ny kolejy masindahy misely omaly. Tany Nosy Maorisy kosa no namaranany ny fistidihana taty amin’ny ranomasimbe indiana. Rahampitso 10 Septambra no hanainga ho any Roma ny tenany. Azon’ny Malagasy atao veloma izy amin’ny fanadalovany eny amin’ny lalana mihazo ny seranam-piaramanidina Ivato.