Passeport biométrique, Permis biométrique, carte grise biométrique: Inona ny marina ?

0

Miharihary ny kolikoly sy ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny mpitondra sy ny orinasa Semlex any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Io orinasa io anefa no manao ny passeport eto amintsika, izay tsy nisy appel d’offres. Andrasana ny mangarahara manoloana izany, sy ny mikasika ny permis biométrique ary ny carte grise biométrique.