PHARMALAGASY : hivoaka afaka iray volana ny famokarana voalohany

0

Hivoaka afaka iray volana ny famokarana voalohany tontosain’ny Pharmalagasy,  araky ny nambaran’ny Filoha Andry RAJOELINA nandritry fidinana teny amin’ity  ozinina hanao ny famokarana fanafody eto Madagasikara toy ny Cvo + ity  androany. Etsy ankilany, nambaran’ny Filoha fa efa mande amin’izao fotoana izao ny andrana clinique na ny (essaie clinique) in Vivo sy in vitro amin’ny gélule cvo +, mialohan’ny hanatontosana ny andrana amin’ny olombelona.