PNDU : zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

0

Notontosaina androany ny fihaonana an-databatra boribory tamin’ny minisietrahn’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy niaraka tamin’ireo sehatra tsy miankina, niresahana ny mikasika ny politikam-panjakana momba ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe. Zava-dehibe ny fiaraha-mientana amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny Politique Nationale du Développement Urbain, araka ny nivoitra androany, ary naneho ny fahavononany hanohana izany ireo misehatra amin’ny tsy miankina.