Polisy maty tany Ambanja: melohin’ny CNIDH

0

Melohin’ny CNIDH ny famonoana polisy nitranga ny 25 Aprily teo tany Ambanja. Miantso ny fitondram-panjakana ny filohan’ny CNIDH handray ny andraikiny mikasika izany. Mifamatotra tanteraka hoy izy ny kolikoly sy ny tsy fanajàna ny zon’olombelona ary mila hamafisina haingana ny fanafoanana azy.