Raharaha Carrière Anjozorobe: voaporofo fa mandainga ny Filohampirenena teo aloha

0

Miverina mitsikafona ary voaporofo fa mandainga ny filohampirenena teo aloha raha nilaza tany Iavoloha fa tsy tany Anjozorobe ny zanany izay voasaringotra tamina raharaha fahafatesana mpitrandraka madinika iray teny amin’ny kariera teny Anjozorobe. Ankilany, mbola mitohy mandraka ankehitriny ny fitrandrahana ataon’ny ekipan’izy ireo eny an-toerana.