Raharaha Houcine Arfa: Mitentina 271 670 000 Ariary ny tsolotra noraisin’ny minisitry ny fitsarana

0

Nanao fanambarana hafa indray tamin’ny haino amanjery tany frantsa ilay teratany frantsay, nigadra teto Madagasikara ary nandositra any ivelany. Nanome 100 000 euros ho an’ny minisitry ny fitsarana sy ny mpampanoa lalàna izy nahafahany nitsoaka teto Madagasikara raha ny voalazany ao amin’io resaka nataony io.