Raharaham-pirenena : Miaina amin’ny kabary ny fitondrana

0

Matahoatra ady hevitra demokratika ny fitondrana HVM. Matahoatra ny ifanehitra amin’ny lehiben’ny mpanohitra ofisialy. Fa matahoatra ihany koa ny mampiatra ny lalàna velona. Tahoatra ny ikitikitika tomboantsoan’olom-bitsy amin’ny fampiarana ny lalàna. Manoloana izany rehetra izany, mandeha ihany ny kabary ambony latabatra. Tsy misy fitadiavana vaha olana manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka tsy mandady harona.