Raharaham-pitsarana : miisa 15 ireo fitoriana minisitra teo aloha voarain’ny HCJ

0

Fitoriana minisitra teo aloha miisa 15 no voarain’ny teo anivon’ny HCJ ny taona 2019 lasa teo. Nalefan’ity rafi-pitsarana ity eny anivon’ny antenimieram-pirenena izany amin’izao fotoana izao. Miankina amin’ireo solombavambahoaka, mandritra ny fivoriana ara-potoana manaraka, no hahafahana manenjika ireo minisitra ireo raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna.