RAJOELINA Andry – TICAD 7 : « Tsy haingitraingitra fa zo fototra maha-olona ny sakafo »

0

« Tsy haingitraingitra fa zo fototra maha-olona ny sakafo », io no nasongadin’ny Filoha RAJOELINA Andry nandritra ny fandraisany fitenenana omaly tany Tokyo Japon, mialohan’ny fivoriambe iraisam-pirenena andiany faha-7 hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny ankizy aty Afrika. Velirano efa nataoko ho an’ny vahoaka Malagasy rahateo, hoy hatrany ny Filoha Malagasy ny hanafoanana ny tsy fanjarian-tsakafo any Madagasikara. Fanampim-panazavana.