RAKOTOVAO Rivo : tsy voatery arahina ny « Avis » navoakan’ny HCC

0

Tsy voatery arahina ny « Avis » avoakan’ny HCC amin’ny maha-« Avis » azy, hoy RAKOTOVAO Rivo Filoha mpisolo-toerana, nandritra ny fivahiniany tamin’ny onjampeo tsy miankina iray eto an-drenivohitra tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Fanehoan-kevitra izay mbola manaporofo ny fiheveran’ny mpitondra HVM ho ambonin’ny lalàna hatrany ny tenan’izy ireo.