“Recouvrement des avoirs illicites » : manao antso avo ny handaniana ny didy hitsivolana ny maro

0

Tsy mitombona ny filazan’ny filohan’ny antenimierandoholona fa tsy ampy ny fotoana nandinihana ny volavolan-dalàna mikasika ny famoriana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny, raha ny nambaran’ny CSI, na ny Comité pour la sauvegarde de l’intégrité androany. Mahavoasazy an’I Madagasikara anefa ny tsy fandaniana io didy hitsivolana io. Manao antso avo amin’ ny praiminisitra sy ny solombavambahoaka manoloana io ireo sampandraharaha miady amin’ny kolikoly, hampiatra ny voalazan’ny lalam-panorenana ahafahana hiharan’ity didy hitsivolana ity.