RN 44 : nivoaka omaly ny « appel d’offre » amin’ny fanamboarana ny lalana

0

Navoaky ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy omaly ny « Appel d’offre » hanamboarana ny RN 44, mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka. Hatomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ary ho vitaina ao anaty fotoana fohy noho ny fitarainan’ireo mponina sy ny mpitatitra.