SECES Antananarivo : manome fe-potoana 1 volana ny ministera mpiahy

0

Manome fe-potoana 1 volana ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohahna siantifika ny mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny SECES Antananarivo hamaliana ny fitakian’izy ireo. Izay no nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny tomponandraikitra avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony teny Tsimbazaza omaly.