SEFAFI : rariny ary zo ny ampahafantarina

0

Rariny ary zo ny ampahafantarina, io no fanambarana navoaky ny SEFAFI na ny sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena, manoloana ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny. Rivo-piainana feno tahotra sy fikoropahana no mahazo sy nibahan-toerana, satria tsy mahomby ny rafitry ny seraseram-panjakana ary miraviravy tanana ny manam-pahefana.