Sehatra tsy miankina : miandry vahaolana avy amin’ny fitondrana

0

Mangataka ny hahafahana mindram-bola amin’ny tahan’ny zana-bola ambany ireo sehatra tsy miankina na ny secteur privée. Teboka iray tao anatin’ny tolokevitra izay efa nolavin’ny fitondram-panjakana io, araky ny nambaran’ny Filohan’ny fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy androany. Amin’izao fotoana izao, andrasan’ny sehatra tsy miankina ny vahaolana aroson’ny fanjakana, hahafahana manohana azy ireo anatin’izao krizy ateraky ny Covid-19 izao.