Vahoaka maro be no namaly ny antson’ny solombavambahoaka ho an’ny fanovana omaly ary nanantanteraka sit-in teo anoloan’ny HCC. Nanatitra fanamarinana fanampiny tao amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenena ihany koa ireo solontenan’ny solombavambahoaka nandritra ny fotoana.