SMM : miantso ny mpitsara rehetra hifidy rahampitso

0

Hotanterahina rahampitso Zoma faha 15 Febroary ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny sendikan’ny mpitsara rehetra manerana an’i Madagasikara izay mivondrona ao amin’ny SMM. Laharam-pahamehana ho an’ity sehatra ity ny fametrahana ny fahaleovan-tenany eo am-panatanterahana ny asany izay mbola tsy mipetraka araka ny tokony ho izy raha ny fanazavana.