« Sommet Russo – Afrique » : ho fanamafisana ny fifandraisan’i Rosia amin’ny firenena afrikanina

0

Isan’ny mandray anjara amin’ny fihaonana an-tapony Russo-Afrique any Russie ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry RAJOELINA amin’izao fotoana. Nanamarika ny andro voalohany omaly ny fisian’ny Forum économique izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Nihaona tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena sy ireo lehiben’ny orinasa maro ny filoha Andry RAJOELINA.