TANAMASOANDRO : honerana amin’ny lafiny rehetra ireo mponina voakasika

0

Horaisin’ny fanjakana an-tanana avokoa ny mikasika ireo tompona tany sy tanimbary ary ireo manana asa voakitikitiky ny fananganana ny Tanamasoandro, amin’ireo kaominina voakasika. Hanomboka ny fanonerana vola azy ireo, ankoatr’izay laharampahamehana ihany koa ny fanomezana asa sy ny fisitrahan’izy ireo trano fonenana amin’ny fanorenana ho atao. Efa miroso ny dingana rehetra amin’izany ankehitriny.