TANAMASOANDRO : miroso amin’ny dingana fanatanterahana azy ny fitondram-panjakana

0

Miroso amin’izao fotoana izao ny dingana fanatanterahana ny « Tanamasoandro », izay tafiditra amin’ny fampanantenan’ny Filohan’ny Repoblika ho an’ny vahoaka Malagasy. Androany, delegasiona Sinoa 21 avy amin’ny fikambanana «  Organisation Mondiale de l’Economie Solidaire et Sociale » no nitsidika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa. Nanamafisin’izy ireo tamin’izany ny fahavononana eo amin’ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana ilaina rehetra amin’ny fanatontosana ny asa.