Tany mandala ny demokrasia : faha-16 aty Afrika i Madagasikara

0

Eo amin’ny laharana faha 16 amin’ireo firenena 50 mandala ny demokrasia aty Afrika i Madagasikara. Ilaina ny fametrahana ny demokrasia tanteraka indrindra fa eo amin’ny lafin’ny fifidianana. Ny fanabeazana ny olompirenena hahalala ny tena demokrasia no hahafantsika miakatra ambonimbony kokoa amin’io laharana io, raha ny fanazavan’ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena iray nanaovana fanadihadiana.