Taom-pilalaovana « Moto cross » – 2018 : tontosa omaly ny fizarana ny amboara

0

Nifara tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2018 eo amin’ny taranja ara-panatanjahantena « MOTO CROSS ». Natolotra omaly ny amboara ho an’ireo mpilalao 3 voalohany isan-tsokajy. Tsara ny vokatra ho an’ny taom-pilalaovana 2018 hoy ny filohan’ny Federasiona malagasy ny Motocyclisme.