Taxi-be : manjaka tanteraka ny gaboraraka

0

Mbola tsy nahitana fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omen’ny fiara fitateram-bahoaka ny mpanjifa eto an-drenivohitra. Mahazo vahana ny gaboraraka, tsy manaraka ny fenitra araka ny tokony ho izy ny fiara raha ny fanadihadiana. Tomponandraikitra voalohany amin’izany ny kaominina Antananarivo araka ny fizaran’asa anatin’ny bokinan’andraikitry ny fitaterana.