Tetikasa – Bas Mangoky : ho tombontsoan’ny Malagasy hoy ireo Solombavambahoaka

0

Tsy fivarotana tanindrazana ary tsy manimba ny fiveloman’ireo mponina any Bas Mangoky ny tetikasa fanitarana ny toeram-pambolena any an-toerana izay hiarahan’ny fanjakana miombon’antoka amin’ny orinasa vahiny. Izay no fanambaran’ny voamieran’ny fambolena eo anivon’ny Antenimierampirenena izay nanatanteraka fidinana ifotony tany an-toerana.