TOAMASINA : nitokona ireo mpianatry ny oniversite

0

Nidina an-dalambe ireo mpianatra izay tavela eny anivon’ny Cite Universitaire tao Barikadimy Toamasina tamin’ity androany ity. Ny fitakiana ny vatsim-pianaran’izy ireo 5 volana sy fangatahan’izy ireo fanampiana vatsy amin’ny fanjakana no anton’ny fihetsiketsehana izay, naharitra ora maromaro. Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra, niravona ny olana.