Toamasina : nohatevenina ireo mpitandro filaminana miasa

0

Manoloana ny fihazakazaky ny tarehimarika amin’ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina CORONAVIRUS any Toamasina amin’izao fotoana izao, nanatevin-daharana ny mpitandro filaminana any an-toerana ny EMMONAT ho fampiharana ireo fepetra mahakasika ny fihibohana. Mpitandro filaminana miisa 150 no efa tonga, hanampy ireo efa misehatra any an-teorana.