Toliara : sokatra miisa 7 347 hafa indray no tratehaka

0

Lafim-baovao hafa tanteraka kosa indray, sokatra miisa 7 347 indray no tratehaka tany Ihotry kaominina Tongobory omaly. Notanterahina omaly ankilany ny fitsarana ireo olona 3 voarohirohy tamin’ny raharaha fahatratrarana sokatra maherin’ny 10.190 isa tany Betsinjaka, Toliara II ny 9 aprily lasa teo. Sazy mihatra 6 taona antranomaizina sy lamandy zato tapitrisa ariary no azon’izy ireo .