Tolon’ny solombavambahoakan’ny fanovana : nanao “Sit-in” manoloana ny HCC

0

Hitohy ary tsy hiato ny tolona ho an’ny fanovana. Tsy ho ela intsony ny fandresena raha ny nambaran’ireo solombavambahoakan’ny fanovana. Omaly ankoatry ny fitohizan’ny hetsika tetsy amin’ny lapan’ny tanàna, nifanjohy teny amin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ireo olona maro be nanampy ireo solombavambahoaka nangataka ny famoahana tsy misy hatak’andro ny valin’ny déchéance.