Trano may teny Andohatapenaka I: manodidina ny 400 ireo fianakaviana traboina

0

Manodidina ny 400 ireo fianakaviana traboina vokatry ny haintrano nitranga omaly teny Andohatapenaka I, araka ny tatitra voaray teo anivon’ny BNGRC. Olona roa ihany koa no fantatra fa naratra. Tamin’ity androany ity, natoby teny amin’ny kianja akaikin’ny Havana ireo fianakaviana ahafahana manampy azy ireo.