Tsaradia : hanomboka ny “ vol tout –cargo “

0

Sempotra ny orinasa tsy ankanavaka vokatry ny fipariahan’ny coronavirus. Isan’izany ny kaompaniam-pitaterana Tsaradia izay mifamatotra amin’ny Air Madagascar. Nanomboka ny 24 Martsa teo, manodidina ny 3 tapitrisa dolara ny fatiantoka ho azy ireo . Manoloana izany, enti-manarina tsikelikely ny orinasa sy fanohizana ny fampiodinana ny toekarena, hiompana amin’ny vol tout – cargo izy ireo manomboka ny Alahady izao.