Tsiambaratelon’ny fanadihadiana : ho saziana araky ny lalàna izay mandika izany

0

Handraisana fepetra hentitra avokoa ireo mpiasa eo anivon’ny Samifin minia mandika lalàna araky ny namafisin’ny tale jeneralin’ny SAMIFIN androany, taorian’ny raharaha nahavoarohirohy mpiasan’ny Samifin ho nampiasa sy tsy nanaja ny tsiambaratelom-panadihadiana. Namafisiny fa tsy misy ny fanavakavahana amin’ny fapiharana ny lalàna izay.