Tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo : ankizy 5 000 hisitraka “Plumpy’Nut”

0

I Madagasikara no firenena faha-5 ahitana trangana tsy fanjarian-tsakafo maro indrindra maneran-tany, araky ny laharana navoakan’ny UNICEF. Isan’ny laharampahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny ady atao amin’izany. Nahazo fanampiana, fanomezana “Plumpy’Nut”, izay fanampin-tsakafo, 5 000 boritra avy amin’i Japon amin’ny alalàn’ny UNICEF ny fanjakana Malagasy.