Vaomiera manokana hisahana ny fiampangana : afaka miasa avy hatrany

0

Tsy mila miandry ny fotoam-pivoriana fa afaka miasa avy hatrany ilay vaomiera manokana hisahana ny fiampangana manoloana ny fitsarana avo eny anivon’ny Antenimierampirenena ny nambaran’ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana. Ilana fotoana maharitra ny fandinihana ireo antontan-taratasy ireo mialoha ny handrosoana azy eo anivon’ny fivoriam-be hankatoavana ny fanohizana ny fanenjehana.